FAMANTARANA NY MPIKAMBANA

Noho ny fitokiana sy faha efa novonjen’Andriamanitra tamin’ny fahasoavany ihany (Efe 2:8), ka nibebaka sy nino an’i Jesosy Kristy (Mar 1:15) ary nanolo-tena ho Azy, mba ho Tompon’ny fiainanay Izy (Rom 10:9; 1Kor 12:3), ary noho ny efa nanaiky anapahambelona izasy finoana sy fanolorana-tenanay izay tamin’ny nanirihirna anao tao anatih’ny ranon’ny batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Mat 28:19), dia miankina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny herin’ny Fanahy Masina izahay raha manatanteraka / manavao an-tsitrapo sady am-pifaliana izao fifanekena manaraka izao:

1. Hazoto hitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana izahay amin’ny maha tena iray anay ao amin’i Kristy (Efe 4:3), ka ho malain-ko tezitra (Jak 1:19) sy halemy fanahy amin’ny namanay avy, ary hifampiantso sy hifamela heloka (Efe 4:32) ka hikatsaka mandrakariva ny fihavanana amin’ny olona rehetra (Rom 12:18).

2. Hifankatia araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy izahay ka hitari-dàlana amin’ny fifanomezan-boninahitra (Rom 12:10), ary hitondra ny olona masina araka izay ilainy (Rom 12:13) sady hiombom-kafaliana sy shifampitondra ny alahelo (Rom 12:15; Gal 6:2).

3. Hifampandinika mba hampandroso ny fitiaavana sy ny asa tsara izahay, ka tsy hahafoy ny fiaraha-miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa hifanentana kosa (Heb 10:24-25), ary hifamono araka ny fanomezam-pahasoavana samihafa izay noraisinay (1Pet 4:10).

4. Hanaiky ireo mpitondra anae sy hanoa azy izahay (Heb 13:17) ary hanaja azy ireo indindra amin’ny fitiavana noho ny asany (1Tes 5:13), dia ny fitoriany na tenin’Andriamanitra (Heb 13:7; 1Tim 5:17). Samy hisikina fanetren-tena izahay ka hifamompo (1Pet 5:5).

5. Hazoto sy sahy efa ho amin’ny fanompoana ny Tompo izahay (Rom 12:11), ka haharitra amin’ny fampianarana, ny fiombonana, ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana (Asa 2:42). Hanantanteraka ny fanirahana lehibe izay nanirahan’ny Tompo ny fiangonanay izahay, dia ny hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat 28:19-20), ary hamatsy sy hanohana ka ho mpira-miasa amin’ireo iraky ny fiangonana ho fampielezana ny filazantsara (3Jao 5-8). Hanolotra an-tsitrapo ny fanati-panahy ho an’ny asan’Andriamanitra izahay, dia ny tenanay (Rom 12:1-2), ny vokatry ny molotry (Heb 13:15) ary ny fananany (Heb 13:16).

6. Hankalaza an’Andriamanitra ka hitaratra ny fifandraisan’i Jesosy Kristy sy ny fiangonana ao anatin’ny fanambadiana izahay (Efe 5:22-33), ary hitiazanay zanakay amin’ny fanabeazana sy ny fananaran’ny Tompo (Efe 6:4).

7. Handeha mendrika ny filazantsaran’i Kristy izahay (Fil 1:27), ary ho tsara fitondrantena eo amin’ny tsy mpino (1Pet 2:12) ka handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao (Tit 2:12). Hankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenanay araka ny maha olom-boavidy anay izahay (1Kor 6:20), ka ho masina amin’ny fitondrantenaany rehetra araka ny fahamasinana’Ilay niantso anay (1Pet 2:15).

8. Raha tonga ny fotoanina hifindrany monina, dia hitady sy hikambana aminà fiangonana an-toerana hafa izay manaraka ny tenin’Andriamanitra sy mampihatra ny fanahin’izao fifanekena izao izahay.

9. Ho aminay rehetra dia ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina (2Kor 13:13).

Amena.

  • Anarana :
  • Teraka ny :
  • Laharana :
  • Vita batisa t@ ny taona :
  • Tao :